Fitsangatsanganana teny Ambatomirahavavy

Nampidirin'i kotofangaraka | 4 Okt, 2006
Tahakin'ny mahazatra dia miarahaba anareo mpamaky. Iza taminareo ireo no tsy nitsangatsangana tena Ambatomirahavavy tamin'ny nianatra taloha ? niaraka tamin'ny sekoly na ny fianakaviana (excurssion) ! na ny teny Anjeva etc.....izany koa no anisan'ny fahatsiarovana tena milay, ilay mifoha marainabe mikarakara izay hoentina na koa mandeha fotsiny tanapolo manantena fa hotsipazan'ny sipa sogany sy tsakitsaky ....matetika ny sipa tamin'izany mitondra itony ilay hoe hors d'oeuvre sy mofo dipaina , fanta na limonady hosotroina .... teny ambohijatovo no nifamotoana

Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazahoana aina

Nampidirin'i kotofangaraka | 2 Okt, 2006
Ny tena marina angamba dia satrin'ny kamo foana  ho voafandrika dia afaka mandrimandry ampilaminana ! na dia efa mahazo aina aza dia manararaotra izay fomba rehetra ahazahoana aina na tsy voafandrika aza, sady amintsika gasy mantsy misy ilay fitenenana hoe.."izay marary andriana" ka rehefa hitan'ny olona mandrimandry mitsilailay eo amparafara dia tsy dia salama izay ka andrianina ..........Fa misy kosa aloha ny tena voafandrika ka mila mandrimandry......Tsaroako tampoka izany tamin'ny mbola zaza, tsy nazoto handeha hianatra satria tsy hay ny lesona na tsy vita ny devoara enti-mody fa variana nilalao, natao daholo izao tetika rehetra izao hijanonana ao an-trano adino hatramin'ny fahamendena hilalao any an-tsekoly...........hakamoana daholo izany !

Handroso sa hiemotra

Nampidirin'i kotofangaraka | 1 Okt, 2006
Miarahaba anao mpandalo indray ary ny mpanoratra, isakin'ny hanomboka hametraka diam-penina dia toa kamo foana ! asa angaha rahoviana no hatomboka izy ity. Ny fahatsiarovana ato antsaina maro dia maro efa mila hitobaka tsy omby loha fa ny hamoaka azy ireo no tena sarotra. Anikeo maraina izao somary nahatsiaro ny fahazazana kanefa tampoka teo dia naharay vaovao tamin'ny antso antariby dia tonga dia tapaka teo ilay sangodimpanin'ny fahiny !
Tsy ny hotantaraina akory no tsy misy fa mila fahavononana finiavana  ary fandaminam-potoana hentitra.
Ireo fahatsiarovana efa nipetraka toa sembanin'ireo fahatsiarovana mandalo ! ohatran'ny misy fahatsiarovana tsy tiako hifoha intsony kanefa toa mitady ahazo vahana ka aleo aingana ho tsindrina tsiaro hafa izay mba azoazon'ny tena mampilamina ny saina sy ny  fo satria mbola tsy fotoana ny fendronfendro aloha izao. Iza amin'ireo fahatsiarovana ireo ary no hosamboriko avy hatrany ka hosoratako. Androany izao dia nazoto be ny hanomboka, novelomina ity PC teo anefa dia isakin'ny mifanatrika amin'ity écran fotsy ity dia toa lasa menamenatra tahakin'ny lasa zava-manan'aina ilay PC ka sadaikatra ny mpanoratra hamboraka ireo tsiaro dia nihemotra indray, ireo zavatra saika hotantaraiko sy hosoratako hoanareo mpamaky toa lasa nisitrika daholo .....
Tsaroako tampoka fa hay moa tokony hanao zavatra izay aho somary nihomehy irery ny tenako nahatsiaro tampoka ilay fiarahana tamina'olona iray izay ..........
Nandalo nanokatra ilay blaogy ny tenako amin'izao ora izao ka gaga fa misy mpamaky maromaro nandalo teto tena tsy nampoiziko ! hisaorako betsaka izay nitsidika rehetra  teto ! asa fa dia somary reradreraka kely ny tenako aloha izao fa avy niasa fa raha vao nahita ilay marika isan'ny mpandalo namaky ny blaogy dia toa velombelona kely indray kanefa inona ary moa ity hosoratana ! Avy namaky ny blaogin'olon-kafa izaho teo dia somary nitsiky nahatsiaro ilay arabe avy eny betongola mandalo an'avaradoha dia midina mankeny besarety avy eo miakatra eny andravoahangy ambony na miolaka mahazo iny andravoahangy ambany iny, nandalo tamin'iny tokoa mantsy fahizay .....tonga tato antsaina hatramin'ny fandraisany zotra 23 fahiny.....tena efa ela be marina izany !!!!....nangatsiaka sy avy ny orana tamin'izay kanefa ny fodiana mbola lavitra akaiky, volana aogositra raha tsy mbola maty ny tadidy, ontsan'ity fahatsiarovana niserana ny  foko...........
Izay indray ary aloha fa dia nankasitraka ny fandalovanareo teto fa tsy maintsy hotohizana ity tahirim-pahatsiarovan'i kamolahy ity.