Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazahoana aina
Nampidirin'i kotofangaraka | 2 Okt, 2006Ny tena marina angamba dia satrin'ny kamo foana ho voafandrika dia afaka mandrimandry ampilaminana ! na dia efa mahazo aina aza dia manararaotra izay fomba rehetra ahazahoana aina na tsy voafandrika aza, sady amintsika gasy mantsy misy ilay fitenenana hoe.."izay marary andriana" ka rehefa hitan'ny olona mandrimandry mitsilailay eo amparafara dia tsy dia salama izay ka andrianina ..........Fa misy kosa aloha ny tena voafandrika ka mila mandrimandry......Tsaroako tampoka izany tamin'ny mbola zaza, tsy nazoto handeha hianatra satria tsy hay ny lesona na tsy vita ny devoara enti-mody fa variana nilalao, natao daholo izao tetika rehetra izao hijanonana ao an-trano adino hatramin'ny fahamendena hilalao any an-tsekoly...........hakamoana daholo izany !